Published On:04-Jan-19

Mandrovi-tsihy ny PM : Hosamborina ry :

Share This
TAGS

 

Mbola Rajaonah, Hanitra Razafimanantsoa, Fanirisoa Ernaivo, Fidèle Razara Pierre, Rolly Mercia, Eliane Bezara, Fernand Cello ary James Ratsima

Ny hetsika fanonganam-panjakana an-dalambe nitaky ny fialàn’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no naha praiminisitra an’i Ntsay Christian. Ankehitriny, mikotrika ny fisamborana ireo olom-pirenena manohitra ny hosoka sy ny hala-bato ity PM ity…

 Nandray fanapahan-kevitra ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Beni Xavier Rasolofonirina, nampiato ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka maneho hevitra manohitra ny hosoka sy ny hala-bato nandritra iny fifidianana filoham-pirenena iny. Afaka niditra tetsy amin’ny “parvis” Analakely ireo mpanao fihetsiketsehana, na dia niezaka nanohitra izany baikon’ny lehiben’ny Foloalindahy izany aza ireo mpitandro filaminana sasantsasany “mpaka 19” amin’i Andry Rajoelina.

Narary mafy tamin’izany fahafahan’ny olom-pirenena manohitra ny hosoka sy hala-bato naneho hevitra an-kahalalahana izany anefa ny fon’ny praiminisitra Ntsay Christian, izay voatendry ho PM taorian’ny fanonganam-panjakana an-dalambe nitakiana ny fialàn’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ka mikotrika fisamborana ny filoha tale jeneralin’ny RLM Communication Mbola Rajaonah, ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, ny kandidà Fanirisoa Ernaivo, Eliane Bezara, ny mpanao gazety Rolly Mercia sy Fidèle Razarapiera ary Fernand Cello ary James Ratsima.

Tsotra ny tanjon’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’izao fikotrehana fisamborana izao: amin’izay lefy ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mai rehefa tsy misy mpitarika, ary koa tsy afaka miasa intsony ny RLM Communication. Manaraka izany, tsy maintsy atao izay hampandaniana an’i Andry Rajoelina amin’io voka-pifidianana feno hosoka sy hala-bato io ho tambin’ny fanendrena azy teo amin’ny toerana maha praiminisitra taorian’ny faha-21 aprily 2018.

Efa hita taratra sahady ilay tanan’i Andry Rajoelina dia ilay mpitondra jadona nanakatona hainoamanjery miisa 80 nandritra ny Tetezamita, nisambotra sy nampiditra am-ponja, ireo izay tsy nitovy hevitra taminy, sns. Efa meloka avokoa moa ireto olona hosamborina ireto araka ny taratasy navoakan’ny fiadidiana ny praiminisitra araka ny soratra mivandravandra hoe “coupable”. Nilatsaka sahady ny saron-tavan’ilay “putschiste” nanendry an’i Ntsay Christian!